Nangingina indray ny resaka fampihavanam-pirenena amin’izao fotoana.
Tsy mazava intsony koa na fampihavanam-pirenena inona no tian-katao eto ? Ny vahoaka Malagasy mantsy dia hita ho milamina sy mirindra ihany ny fiarahamoniny na misy aza ireo toe-javatra hafahafa, toy ny fitsaram-bahoaka sesilany, izay azo sorohana tsara fa ny fandraisan’andraikitr’ireo tompon’andraikitra voakasika no tsy misy. Ny mpanao politika no miady eto amin’ny firenena ary izy ireo hatrany no sakana sy zary mamotika an’i Madagasikara, ka izy ireo no mila mihavana. Mila soritana tsara ihany koa ny endri-pihavanana tokony hisy eo amin’izy ireo. Na ny samy mpanao politika aza mantsy dia tsy mitovy hevitra amin’io fampihavanana io satria samy manana ny kajiny sy ny tombontsoa tiany hotakiana avy, ka sarotra ny hisian’ny marimaritra iraisana, ary porofo mivaingana ny zava-misy ankehitriny. Ny tsikaritra dia tsy misy tombontsoam-bahoaka katsahina ao anatin’ny resaka fampihavanam-pirenena eto amintsika fa ny an’ny mpanao politika no iadiana varotra. Toa mbola ho ela ny fahatongavan-tsain’ny mpanao politika Malagasy hiaraka hikaon-doha sy hiaraka ho tonga saina, ka tsy hanaiky hampiadian’ny vahiny lava eto, fa vonona ny hiara-kiady ho an’ny tomboantsoan’ny firenena. Raha mbola ny zarazarao hanjakana lava sy ny fitsitokotokoana lava toy izao no hisy eto, dia na afaka arivo taona aza isika tsy hiarina mihitsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.