Tsy mbola manana fahasahiana hijoro hotsaraim-bahoaka izy ireo satria olom-boatendry ny ankamaroany ka izay no antony mampitarazoka izao krizy izao.
Etsy andanin’izay dia tokony hieritreritra ny mpitondra amin’izao tetezamita izao fa endrika fihariharian’ny fitsaram-bahoaka ireny fahamaroan’ireny vahoaka an’aliny maro nitsena ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ireny satria voaporofo fa mbola mamim-bahoaka izy. Ireo no fanehoan-kevitra nataon-dRtoa Sabine vaovao ao Ambositra, sady mpitory ny filazantsara mikasika ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Mpitarika ny Fikambanana mpitory ny filazantsara iray ao Amoron’i Mania antsoina hoe FGBMFI ity renim-pianakaviana ity sady mitarika ny asa sosialy ihany koa.
Nilaza izy fa tsy voatery ho tiam-bahoaka ireo rehetra nahazo seza ireo afa-tsy ny voafidim-bahoaka ihany. Ny fitiavan-tseza no mibaiko ny mpanao politika eto ary misy aza ireo sahy mangala-bato amin’ny fifidianana. Andraikitr’ity fikambanana tantanin-dRtoa Sabine Vaovao ity ny olona hivavaka ho an’ny firenena sy ireo mpitondra ary ny mpandraharaha mba hahatonga azy ireo hatahotra an’Andriamanitra. Nasiany teny manokana ireo Parlemantera zanaky ny Faritra Amoron’i Mania izay nambarany fa mihantona aty an-drenivohitra fotsiny fa tsy misy fandraisana andraikitra mijery ny olana ao amin’ny Faritra. Nohamafisiny ny fiderany ny fihetsika nataon’ i Marc Ravalomanana ireny satria tsy ny fitsarana eto an-tany no mahefa ho an’ny tsirairay fa ny fitsarana any an-koatra. Maniry ny hiverenan’ity Filoham-pirenena ity an-tanindrazana ka hamaha izao krizy lalina izao moa i Sabine Vaovao namarana ny fanehoan-keviny.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.