Politique

Mpanao politika Malagasy Tsy maharesy lahatra ny vahoaka intsony


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2016

Miaiky ny tsy fahatokisan’ny vahoaka azy ireo intsony ny mpanao politika Malagasy. Niova rahateo ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009.

Lasa fitadiavana tombontsoa sy fanangonan-karena mantsy ny fahazoam-pahefana nampindramin’ny olom-pirenena ireo mpitondra. Mitaky rivo-baovao ny fanaovana politika ka goavana indrindra amin’izany ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpanao politika, hoy ny Rodoben’ny Malagasy Tia tanindrazana ho an’ny Fanorenana ifotony. Mila manana foto-kevitra sy programa mazava ihany koa anefa ireo antoko politika. Mitondra ny fahitany ny fivoaran’ny tontolo politika Malagasy moa ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny RMTF.

Rajoharison Rainidina (Antoko Solide) : «May ny tanindrazana. Latsaka an-davaka ny firenena. Manova olona hatrany no nataontsika fa tsy nanavao rafitra kapitalista manome vahana ny vahiny. Mitovy ihany anefa ny fomba fanaon’ireo mpitondra fanjakana rehefa mahazo fahefana».

Gaby Vakiniadiana (Vahoaka Miray) : «Minia mikipy tsy mahalala ny fahoriam-bahoaka ny mpitondra. Variana mameno paosy fotsiny avy eo mitsoaka mandositra. Ilaina ny fanovana rafitra, indrindra ny Lalàmpanorenana izay nanome vahana hatrany ny mpitondra toy ny tsy fahafahana mitsara ny filohan’ny Repoblika mandritra ny fe-potoana hitantanany».

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT