Politique

Mpanao politika Malagasy Mivelona amin’ny famadihana palitao


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Isaky ny misy tolo-dalàna na volavolan-dalàna holaniana eny anivon’ny parlemantera dia tsy maintsy heno hatrany ny resaka malety tato anatin’ny 4 taona izay. Iny aloha efa tsy zava-baovao intsony.

 

Niakatra teo amin’ny fitondrana ny filohan’ny repoblika voalohany, Philibert Tsiranana, ny taona 1958, antoko 2 ihany no nalaza sy tena natanjaka. 17 taona taorian’io rehefa tamy avy any indray ny mpitarika ny revolisionina sosialista, Didier Ratsiraka, mbola latsaky ny 10 ny antoko politika nisy. Amin’izao fotoana izao, ireo zokibe sy raiamandreny mbola velon’aina naharaka tsara ny tantara dia tsy misy izay tsy miaiky fa misy mpanao politika tranainy efa nahavita nivadika palitao in’efatra farafahakeliny ary sakaizan’ny mpandresy hatrany. Ankavitsiana ireo mpanao politika azo lazaina hoe mahatoky na “fidèle” tamin’ny antoko nipoirany.

Tsy mazava ny lalàna

Tsy mazava rahateo koa moa ny lalàna mifehy ny antoko eto amintsika ka tsy mahagaga raha toa ka saika efa tafakatra 300 isa mahery ny antoko politika teto. Aiza ny etika sy deontolojia ? Maivana ara-poto-kevitra ve ka mora sarihana hivadika? Indrindra, aiza ny fitiavan-tanindrazana? Toa izay ela nietezana rehetra, tsy mba lava volo fa be hatoka daholo? Ireo lalàna mifehy ny tontolo politika mihitsy moa toy ny fifidianana, ohatra, dia efa hita miharihary fa natao hanimbana sy tsy hitoeran’izany etika politika eto Madagasikara izany mandrakizay. Raha izao tontolo politika ankehitriny izao, ahoana moa no inoana fa tsy hisy malety koa ny fitadiavan’izay kandida ho filoha avy amin’ny tsy miankina ireo mpiahy miisa 150 azy ? Toy izany ihany koa ho an’ireo depiote izay mila olona 10 ? Tsy maintsy hirongatra indray ny fivadiham-palitao, izay toa efa lasa antom-piveloman’ny mpanao politika Malagasy

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT