Betsaka ny mpanao politika sy milaza azy fa mpandinika ny fiainam-pirenena no toa nangina tampoka teo sy tsy hita intsony teo amin’ny tontolo politika. Teo ohatra ny pastera Maihol, izay milaza fa atolotra azy ny fitondrana amin’ity 2013 ity.
Nilaza fa ho kandida ity mpanorina ny fiangonana Apokalipsy ity, avy eo tsy kandida indray fa dia nanohana an’i Ny Rado Rafalimanana. Tsy nanomboka akory anefa ny fampielezan-kevitra dia efa nisintaka tamin’io kandida io indray ny pastera Maihol sy ny ekipany. Faminaniana marina ve ilay izy sa kajikajy politika ? Roa taona nitety an’i Madagasikara i Ny Avoko Rakotoarijaona, izay milaza fa manana filozofia sy vina hampandrosoana an’i Madagasikara, anisan’ireo kandida 49 nanatitra antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny CES izy kanefa dia nitsoaka an-daharana indray avy eo fa hoe hanohana ny kandidan’ny PNJ Mazava Sylvain Rabetsaroana izay fantatra tsara fa olona tsara resaka amin’ny Frantsay, ary mety manana fomba fijery sy fomba fihevitra mifanipaka amin’ny Maitre Avoko.
I Alain Tehindrazanarivelo, dia noheverin’ny maro fa olom-baovao mba manana ny fahaizana sy fahalalana ary manana fomba fijery vaovao hampandrosoana ny firenena fa dia tsy hita tabilao, ary mialokaloka anatin’ny «Collectif des candidats» sisa. Atoa Lahiniriko Jean dia azo sokajiana anatin’ireo mpanao politika tena nanimba tena tao amin’ny UDR-C na ny elatra mpanohana an’i Andry Rajoelina, nihena be mihitsy ny ny lanja politikany raha oharina ny tamin’ny 2006 naha kandida filoha azy voalohany. Raharinaivo Andrianatoandro, olona akaiky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hatry ny ela, namadika palitao ary nisora-tena ho mpanorona ny antoko TIM, antoko anisan’ny goavana indrindra eto, saingy tsy hita izay nalehany. Mampametra-panontaniana ihany koa hoe : ny Leader Fanilo sy ny AVI ve dia mbola antoko velona ihany ?
Tsy manana kandida ofisialy izy ireo fa misarangotra etsy sy eroa, ary lasa mpikaramanady ny panao politika novolavolainy. Tsapa avy amin’ireo ohatra maromaro ireo fa misongadina ao anatin’ny fotoana voafetra fotsiny ny mpanao politika Malagasy fa tsy maharitra, politikan’ny «izao dia izao» mba hahazoana seza sy vola be, fa tsy politika hanomanana ny hoavy no maha maika eto. Tsikaritra fa misy mihitsy ny olona tsy mety malaza raha tsy misy krizy politika eto amin’ny firenena, fa rehefa milamina ny tany dia tsy hita popoka indray izy. Tsy misy firenena iray mandroso izany anefa raha tsy matotra ny mpanao politika ao aminy, ary mazava tsara ny fomba fanaovana politika, satria tsy maintsy politika no hitantanana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.