Raha ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara dia tsy misy fiovana na fanovana fa vao mainka miharatsy noho ny teo aloha aza ny raharaha. Ambentin-dresaka tato ho ato ny hoe politika politisianina no mampahantra firenena.
Tsy ny politika kosa no ratsy fa ny olona manao politika no maharatsy azy raha ny zava-misy ankehitriny. Zava-doza atao amin`ny fomba rehetra ny hosoka sy hala-bato, kolikoly avo lenta na mirefarefa amin`ny tany… Ahoana no fomba entina hametrahana hiorim-paka eo amin’ny foto-pisainan’ny mpanao politika ny tandrohasina sy ny fanoherana ny kolikoly ? Efa lasa tarazo sy raiki-tampisaka eo amin’ny toetra sy fisainan’ny Malagasy tsy ankanavaka ny kolikoly sy ny hosoka isan-karazany. Ny fototra mampiroborobo sy mametraka azy ho fomba fanao mahazatra dia ny fisian’ny tsy maty manota eo anivon’ny tontolo politika sy fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Ny " tsimatimanota" dia ireo olona nahavanon-doza nahavita heloka bevava amin’ny fanodinkodinana vola sy fahefam-panjakana, maneho miharihary fanaovana fanitsahan-dalàna, ary misitraka izany ho amin’ny tombontsoany manokana, tsy misedra fitsarana na miatrika sazy na famonjana izy ireo fa vao mainka aza omem-boninahitra sy hampiantsorohana andraikitra sarobidy ary mazàna aza toa lasa ankatoavin’ny fiarahamonina. Lavitry ny afo ny etika politika eto amintsika na moraly amin`ny fanaovana politika. Efa tena tsy misy intsony eto ary ny mpanao politika no mampiana-dratsy ny vahoaka. Mila mametraka ny rafitra ifampitaizana sady ifampifehezana eto amintsika. Mila foanana sy atao fongana amin’ny ara-dalàna ireo tsimatimanota dia izay no fanombohana amin’ny fanitsiana. Tompo-marika feno sy tanteraka amin’izany ny olom-pitsarana manana andraikitra. Manaraka ho azy avy eo ny fitaizana isam-pianakaviana. Ahoana tokoa moa no hahazoana mpitondra hendry ao anaty vahoaka ketraka ara-pisainana miaina amin’ny fiarahamonina tratry ny fahalovana ? Fotoana izao tokony hijoroan`ny mpanao politika, hametrahana ny demokrasia marina satria ny fahavoazana hatramin`izay dia ny tsy fahalalan’ny olona ny atao hoe politika. Ny politika dia hevitra sy asa izay iombonana ary tanterahina mba hahasoa ny vahoaka iaraha-monina aminy, izany hoe “soa iombonana”.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.