Politique

Mpanao politika Malagasy Any ambanivohitra no tena misy ny herin’izy ireo


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Any ambanivohitra no tena misy ny herin’ireo mpanao politika eto amintsika, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Berivotra, distrikan’i Maevatanana, Faritra Betsiboka Rakotomalala Voahanginirina.

 

 Ny mampalahelo anefa dia voasokajy ho lavitra andriana tokoa ny kaominina ambanivohitra toa anay ary zary tsy fantatry ny tompon’andraikitra akory  ny fisiany nefa any aminay no tena misy ny olona azo hianteherana noho ny mbola fihainoan’izy ireny sy ny fanajany ny Ben’ny tanànany. Ankoatra izay, anisan’ny olana sedrain’ireo kaominina ambanivohitra ihany koa ny tsy fahazoany famatsiam-bola ara-dalàna. Misy ireo mahazo, hoy ity Ben’ny tanàna ity nefa misy ihany koa ireo tsy mahazo toy ny kaominina tantanako  na dia mbola vaovao be aza. Tsy tokony homena tompon’andraikitra hafa ihany koa ny fitantanana raha toa ka misy satria ny Ben’ny tanàna no tena mahalala ny mararin’ny vahoaka ao amin’ny faritra misy azy.  Na izany aza, efa nahazo fotodrafitrasa maro ity kaominina ity toy ny CSB II, ny biraon’ny kaominina ary ny tsena noho ny ezaka nataony.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT