Politique

Mpanao politika ao Vakinankaratra Mitaky ny hidirana amin’ny Repoblika faha-5


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Namoaka fanambarana ny vondron’ny mpanao politika mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena avy ao Antsirabe omaly talata 12 septambra. Nifantoka manontolo amin’ny raharaham-pirenena ny votoatiny.

Voalazan’izy ireo fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra, ka na ny fiadidiana ny Repoblika na ny governemanta sy ireo andrim-panjakana misy dia tsy misy mihevitra hitsinjo ny valalabemandry. Mitodi-doha any amin’ny tsimatimanota ny mpitondra nampindramin’ny vahoaka ny fahefany. Mihamahazo laka indray ny «Oui M’sé» noho ny fiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy. Maizina ny hoavin’ny mpandraharaha Malagasy fa ny Sinoa sy Karana no mahazo vahana. Ny lalàmpanorenana dia tsy sahaza ny firenena noho ny naha tefy maika azy sady tsy voahaja no voizina amin’ny jadona sy fifikirana amin’ny seza. Miantso ny Malagasy amin’ny hametrahana ny Repoblika faha-5 izy ireo hirosoana amin’ny fifidianana ka mialoha izay dia mitaky hametrahana tetezamita vaovao, ao anatin’ny fotoana fohy handrindra sy hiantoka ny fametrahana ny Repoblika faha-5.

Caius R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT