Saika nandriaka ny ra teny Tsimbazaza. Vao maraina dia efa voatemitra mpitandro ny filaminana ny manodidina ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena
. Nihenjana, tsy nanaiky velively ny hidiran’ny mpanao gazety teny an-toerana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max. Ity farany izay efa nanome baiko ny mpitandro ny filaminana hitifitra raha toa ka niditra tao anatin’ny lapan’ny Tsimbazaza ireo mpanao gazety, araka ny fanazavan’ny jeneraly Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena faritanin’Antananarivo. Nanamafy ity jeneraly zandary ity fa baiko noraisiny mivantana avy tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ny tsy namelana ny mpanao gazety hiditra ny lapan’i Tsimbazaza. Nolaviny kosa ny filazana fa izy no nanome baiko ka nampandohalika ireo mpanao gazety teo amin’ny arabe, manoloana ny Lapa. Omaly indray ny jeneraly Rakotomahanina Florens vao re feo, taorian’iny loza nahafatesana olona telo sy naharatrana 91 hafa, vokatry ny fipoahan-javatra teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny harivan’ny 26 jona nankalazana ny fetim-pirenena.Masiaka ary tena nihenjana tamin’ny mpanao gazety ny mpitondra fanjakana sy ny mpitandro filaminana, hentitra ny baiko, ny mpanapoaka baomba namono olona teny Mahamasina anefa tsy voasambotra hatramin’izao ; vavabe no natao tamin’ny senatera Lylison saingy mbola afaka miteny sy mampita vaovao ihany izy.Atao tahaka ny kabary propagandy ny ady amin’ny dahalo fa tsy hita izay tena vokatra mivaingana.Atao kadoa ho an’ny vahoaka sahirana ny fampiakarana ny lasantsy sy ny vidin-jiro..dia hafa mihitsy ny fomba fiantanana eto a !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.