Politique

Mpampianatra Legalista Niverina amin’ny heriny tanteraka


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Niverina ary nivondrona indray ireo mpampianatra Legalista ao Antsirabe. Tsy fikambanana vaovao akory izy ity fa efa nisy ihany saingy noho ny tahotra ireo lehibeny dia samy namitsaka aloha.

Amin’izao fotoana dia nivondrona indray izy ireo. Fantatra ary fa hanao ny fivoriambeny ity vondron’ny mpampianatra ity ny alakamisy 01 septambra izao ao amin’ny Magro Avaratsena ihany ka tanjona amin’izany ny hetsika ifotony ny fikambanana indray sy hametraka paik’ady amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fidiran’ny mpianatra ary fanohizana ny tolona aorian’ny fametrahana ny tetezamita tena izy.

Tsy ny mpampianatra avy amin’ireo sekolim-panjakana ihany akory ireto mivondrona ireto fa misy ihany koa ny avy amin’ireo sekolim-pinoana samihafa sy ireo tsy miankina ary manodidina ny 80%-n’ny mpampianatra no fantatra fa mivondrona ao amin’ity fikambanana ity teo aloha ka izay no hanetsehana azy indray. Akoatra ny tolona amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna moa dia misy ihany koa ny fifanohanan’ireto mpampianatra ireto nandritra ny naha tany am-ponja ny naman’izy ireo toa an-dRtoa Sahondra sy Atoa Davison ary tsy nitsoaka ny fanenjehana azy mihitsy ireto mpampianatra ireto. Marihina fa i Dadamanana no filoham-boninahitr’ity fikambanan’ny mpampianatra legalista ity.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT