Politique

Mpamatsy vola Tsy dadabe noely akory , hoy I Doudou


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Porofon’ny fahombiazana tamin’ny fanangonan-tsonian’ny vondrona politika dinika fanavotam-pirenena na DFP, hoy ny filohan’izany vondrona izany, Tolojanahary Maharavo na Doudou, ny fisian’ny dinika politika fanindroany izay notontosaina teny Iavoloha omaly.

 Fantatry ny vondrona eoropeanina tsara ny zava-misy eto ary tsy afa-miala amin’izy ireo isika satria mpikambana ao anatin’ny Afrique caraibe pacifique (ACP), rafitra ao amin’izy ireo ihany. Tsy dadabe noely ny mpamatsy vola ka hanome vola antsika kanefa isika tsy nanaraka ny nifanarahana, hoy izy. Zavatra 5 amin’ny ankapobeny no notakian’ireo mpamatsy vola dia ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fanajana ny demokrasia, ny fitantanana tan-dalàna, ny fahaiza-mitantana ny raharaham-panjakana ary ny ady atao amin’ny kolikoly. Samy tsy lavorary anefa ireo eo anatrehan’ireo mpamatsy vola ka antony mbola maha any ankibon’ny omby ny famatsiana na dia efa nisy aza ny tarehim-bola voatonontonona taorian’ny fihaonambe tany Parisy. Manainga ny vahoaka handray andraikitra sy ho tonga saina ny vondrona ary mampitandrina ny fitondrana tsy ho alaim-panahy hanao ilay antsoina hoe “financement parallèle” tamin’ny andron’ny profesora Zafy Albert satria vao mainka hampidi-kizo antsika izany, hoy izy, fa ny fahendrena dia ny manaja ireo fepetra 5 voalaza teo ireo.  

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT