Hifarana anio zoma 2 desambra ny fivoriana momba ny famatsiambola sy fampiasambola ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara tanterahana ao amin’ny foiben’ny Unesco ao Paris- Frantsa.
Raha ny vaovao farany dia nanome toky fa hanome 6,4 miliara dolara an’i Madagasikara ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Vola be tokoa izy io saingy misy ny fepetra napetraka dia ny faneken’ny mpitondra eto Madagasikara hanatanteraka fifidianana madio sy mangaraharaha ary tsy manilikilika amin’ny 2018. Mazava izany izao ny anton’ny niresahan’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena matetika ny fifidianana sy ny nanamafisana ny fanohanana ny CENI fa ilaina matotra ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ary mahazo milatsaka avokoa fa tsy misy fanilikilihana na ny fanaovana ilay « ni..ni » indray tahaka ny tamin’ny 2013. Efa maro be ihany koa ny fihaonana sy fifandresen-dahatra mialoha ity fivoriana 2 andro any Paris ity ka efa nohenoina daholo ny hevitry ny rehetra, samy manana ny fomba fijeriny moa fa samy manaiky kosa angamba fa ilaina ny filaminana sy ny fitoniana eto. Moa ve tena hitosaka marina any amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny ady amin’ny fahantrana io, sa ahitan’ny mpitondra tetika hafahafa indray ka holaniana amin’ny propagandy sy ny fanangonan-karena manara-penitra ataon’ny manampahefana ? Raha ilay hoe fifidianana madio sy mangarahara ary tsy misy fanilikilihana, dia resaka efa re teto ihany tahaka ny hoe fampihavanana sy governemantan’ny firaisam-pirenena, fa moa ve hanaraka an’io fepetra io tokoa ny fitondrana HVM ? Hamela malalaka an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina hanao politika sy hirotsaka hofidiana amin’ny 2018 ve ny mpitondra ankehitriny ? Raha ny fahitana ny zava-misy tany Paris omaly dia mbola mailomailo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka, ireo lefitra avokoa mantsy no ankamaroan’ny nandray anjara tamin’ny fivoriana fa tsy tonga ireo tale na tompon’andraikitra voalohany afa tsy ny an’ny BAD na Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana ihany. Midika izany fa somary nohamaivanin’ireo mpiara-miombon’antoka ilay fihaonana. Ho hita eo indray moa ny hitranga anio zoma mandritra ny fivoriana miaraka amin’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina, raha hisy orinasa goavana sy malaza na orinasa madinika sy salantsalany indray handefa solontena hiresaka amin’ny mpitondra Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.