Politique

Mpamatsy vola iraisampirenena Mitaky governemanta teknisianina


  • Talata 16 Febroary 2016

Tsy takona afenina intsony ny fahantran’ny vahoaka Malagasy. Toa minia mikipy sy manampin-tsofina amin’ny zava-misy iainan’ny mponina anefa ny mpitondra mahefa.

 

Sakana goavana ho an’ny fitondrana ankehitriny rahateo ny lafiny ara-bola satria tsy miverina amin’ny laoniny hatreto ny fihariana anatiny ara-toekarena. Tsy mbola mipetraka ihany koa ny fifampitokisana eo amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena, hany ka mitsitapitapy ny fanampiana avy any ivelany. Efa tena mijaly loatra ny Malagasy ka ampy ny roa taona mahery andrana sy tsy nahitam-bokatra ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Laharam-pahamehana sy tena maika ny fanarenana ny sehatra ekonomika eto Madagasikara izay mifandraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka, araka ny fihevitr’ireto vahiny tompom-bola mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena Malagasy ireto. Heno mihitsy moa ankehitriny fa mitaky governemanta vaovao teknisianina ranoray ireto farany mialoha ny famoaham-bola hatrany amin’ny 900 tapitrisa dolara. Tsy mankasitraka ny fidiran’ireo mpanao politika hiditra ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka intsony mantsy izy ireo, araka ny tsilian-tsofina re.  

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT