Politique

Mpamakafaka politika “Efa marary ny vahoaka.”


  • Zoma 15 Febroary 2019

Mbola manohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina aho, hoy ny mpamakafaka politika, Moussa Soahily, saingy amin’ny maha olom-pirenena dia zoko ihany koa ny manao tombana ny governemanta ankehitriny.

 Efa nilaza hatramin’izay aho fa tsy azoazoko ny firafitr’io governemanta io satria be loatra ny zavatra nampandeferin’ny filoham-pirenena toy ny fifandanjana isam-paritra na ny “equilibre regionale et provinciale”. Izahay Mozilimanina moa dia tsy nisy tafiditra ao na iray aza. Eny fa na dia ireo zanaka an-trano ao anaty Mapar aza. Tsy maninona, hoy izy, fa miara-mandefitra izahay. Mitaky kosa anefa fahombiazana satria ny dikan’izay dia tsy manana zo handiso izany ireo nametrahana fitokisana ireo. Hitehaka izahay raha misy zava-bita tsaran’ny governemanta. Hitsikera kosa anefa ary hitaky avy hatrany ny fialan’izay minisitra manao ny tsy mety. Tsy tokony hasiana fihetseham-po ny fitantanana ny firenena satria efa marary ny vahoaka. Tsy tokony hiandry 100 andro akory izany na enim-bolana, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT