Voambolana nankalazaina hatramin’ny 2008 ny filazana fa mivarotra tanindrazana ny mpitondra fanjakana Malagasy.
Voaloto manokana tamin’izany ny anaran’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay nambara ho nanome tany vahiny tamin’ilay raharaha «Daewoo Corporation». Betsaka anefa ireo tranga mampisongadina io fivarotana na famadihana tanindrazana io nanomboka ny taona 2009 hatramin’izao saingy tsy nasiana sira, araka ny fomba fitenin’ny tanora. Matoam-baovao hatrany, ohatra, ny raharaha hazo sarobidy sy andramena mivoaka an-tsokosoko eto amin’ny firenena. Fananam-pirenena an-taoniny no lasa any ivelany saingy tsy manahy akory ireo tompon’andraikitra mivarotra ireny harena voajanahary iombonana eto Madagasikara ireny. Miseho ihany koa ny famadihana tanindrazana amin’ny fihetsika mamoafady hasehon’ireo olomboafidy isan-tokony amin’ny fisandana ny safidy ho tombontsoa manokana sy ho an’ny olom-bitsy nefa mangina tsy handrenesam-peo ny fahefana mpitsara. Mitaky ny marina momba ireo «Nosy manodidina» indray ny mpiray tanindrazana ankehitriny fa tsy mety miray feo aminy ny mpitondra fanjakana. Santionany vitsy amin’ireo tranga maro fivarotana sy famadihana tanindrazana ireo fa tsy misy azo atao satria lohalaharana amin’izany ny manampahefana eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.