Politique

Mpahay lalàna Rivellino Ravelomahazo “Mila manao kaongresy ny mpanohitra”


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Mety ho antony tsy nampiharan’ny fitondrana teo aloha ny sata mifehy ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalàna, Rivellino Ravelomahazo,

 

 ny tsy fahazavan’ny fahamarinan-toeran’ilay atao hoe mpanohitra, raha nanontaniana ny antony mampitarazoka ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba izany eny amin’ny antenimieram-pirenena ankehitriny. Fanontaniana napetrany ny hoe raha manao fanambarana eny amin’ny minisiteran’ny atitany ve ohatra ny antoko iray fa ho mpanohitra dia hankatoavin’io minisitera io ? Ny eto Madagasikara dia iaraha-mahalala fa anjakan’ny antoko maro na hoe « multipartisme ». Tsy toy ny any Amerika hoe miisa 2 ihany na vitsivitsy toy ny any Frantsa. Maro koa ny olona afaka milaza ho mpanohitra eto Madagasikara, hoy izy, ka antony mampametra-panontaniana ny minisiteran’ny atitany hoe iza ilay ho ekena ? Tsy maintsy miainga amin’ny safidim-bahoaka anefa io. Raha ny ara-dalàna sy ny voka-pifidianana izany no jerena dia mety ho ny antoko TIM no mpanohitra. Io ihany koa no hohenoin’izao tontolo izao teny sy mifanaraka amin’ny sata repoblikanina, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity, raha hiresaka ny anatin’ny antenimieram-pirenena sy ny atao hoe “cadre legal”. Raha ny raharaham-pirenena indray anefa no jerena dia tsy antoko TIM irery no mpanohitra eto Madagasikara. Mila manao kaongresy mihitsy, hoy izy, araka izany ny mpanohitra noho io resaka anaty sy ivelan’ny antenimieram-pirenena io amoahana izay ho filoha fa io tsy vitan’ny tefitefena fotsiny eny amin’ny Carlton hoe mody izao sy izao satria efa ho 200 isa mahery ny antoko politika eto.  

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT