Mpahay lalŕna

> Miovaova hevitra, nifindran’ny aretin’ny mpanao politika


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

Zendana ihany ny Zanak’i Dada sy ny vahoaka malagasy nanoloana ny fiovaovan-kevitra misy eto amin’ity firenena ity, hoy ny feo heno tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

Tsy eo amin’ny mpanao politika ihany fa efa mifindra eo amin’ny mpahay lalàna koa. Vao iray volana lasa izay, hoy i Vololona dia nilaza ny mpahay lalàna Rakotomanana Honoré fa ny didin’ny CES dia tsy azo ivalozana ka tsy miova na hiova impiry aza ny CES, rehefa nanontany ny heviny indray anefa ny gazety iray volana aty aoriana dia asa izay nampiova hevitra azy fa dia azo ivalozana indray hono ny didy navoaka. Tsy fantatry ny vahoaka intsony ny marina sy ny hianteherana ka tsotra ny resaka : rehefa hoesorinareo i Neny dia ataovy irery eo ny fifidiananareo. Tsy nahatombon-tsiraka fa dodona ny hilaza ny vaovao avy any Farafangana aho, hoy Rtoa Jeanne, Zanak’i Dada ka milaza fa mitaky ny hiverenan’i Dada haingana ny any Farafangana nefa dia anay koa i Neny fa mila vehivavy hitondra azy ny firenena fa ireny no mahalala ny marary sy ny mahasahirana. Aza mikorapaka isika, hoy i Zafilahy Stanislas, fa miraisa hina satria manana adidy isika hampandresy an’i Neny amin’ny fihodinana voalohany.

RHR

 

 

           

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT