Politique

Movansy Ravalomanana Hiroso amin’ny fifampiraharahana


  • Alatsinainy 14 Aprily 2014

Efa neken'ny Malagasy teo anoloan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny maha lalŕna velona ny tondrozotra ka tsy iadian-kevitra intsony, hoy ny lehiben'ny ankolafy Ravalomanana, Ravatomanga Rolland. Efa voatendry io ny praiminisitra ara-dalŕna ary andrasana tsy ho ela ny fitsanganan'ny governemanta vaovao.

 Andraikitra iray goavana ny fampiharana izay voalazan'ny tondrozotra rehetra toy ny famohana ireo haino aman-jery nakatona, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fiverenan'ireo sesitany politika any ivelany, hoy ny fanazavany. Notsindrian'ny minisitry ny Fambolena fa manohana ny filoham-pirenena ny movansy Ravalomanana ary tsy mivadika amin'ny teny nomeny. Hiroso amin'ny fifampiraharahana amin'ny fanendrena ireo mpikambana handrafitra ny governemanta amin'ny filoha sy ny praiminisitra ny ankolafy, araka ny fanampim-panazavany.

Omaly no voalaza fa nanolorana ny anarana hotendrena minisitra. Mifarana ihany koa ny fifandroritana mikasika ny antoko Tiako i Madagasikara satria efa mazava ny didy navoakan'ny Filankevi-panjakana ny amin'ny maha antoko noforonin-dRavalomanana Marc azy, hoy Ravatomanga Rolland. Ny TIM izay hiatrika ny kongresy nasionaly afaka fotoana vitsy aorian'ny fandaminana ireo rafitra ao anatin'ny antoko.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT