Manomboka manambatra ny heriny ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ao Morondava, faritra Menabe.
Misy tsy tapaka ny fihaonana sy fifanakalozam-baovao eo amin’izy ireo. Amin’izany ihany koa no andraisana ny toromarika avy amin’ny mpitarika handrindrana ny asa hiatrehana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena sy hiomanana sahady amin’ireo fifidianana ho avy, indrindra ny amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018, araka ny tenimita : “Ny tonga miaraka fanombohana, fa ny miasa miaraka no fahombiazana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.