Politique

Monja Roindefo “Tsy misy fanjakana intsony eto”


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Efa tsy fisiana fanjakana intsony ny zava-misy ankehitriny eto amin'ny firenena.

 Tsy misy voahaja intsony ny zo fototra eto, hoy ny nambaran'ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, nandritra ny fankalazana ny faha-90 taonan'ny Consul Honoraire-n'i Malte eto Madagasikara, ny sabotsy lasa teo, tetsy Ivandry. Ny fanarenana izao no tokony hatao vain-dohan-draharaha. Misy madilana tokony hotentenina eto, hoy hatrany ity filohan'ny antoko Monima ity. Mikasika ilay datin'ny 29 febroary napetraky ny SADC kosa dia nilaza mazava ny tenany fa na misy io na tsy misy dia efa tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny eto. Mahakasika ny CENI kosa, dia tsotra ny nolazainy, «na asiana na tsy asiana CENI eto, tsy hisy zavatra vanona izany raha tsy ny firenena mihitsy no amboarina». Tsy maintsy ny hery velona rehetra sy ireo rantsamangaika rehetra mampiaina ny firenena no hampiady hevitra sy hikaroka vahaolana vao tafavoaka izay tanjona tratrarina.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT