Politique

Monja Roindefo Tsy azo antoka io governemanta io


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Kely finoana ary tsy resy lahatra amin'ny mety hahatafavoahantsika amin'ny krizy noho ny fananganana io governemanta vaovao io ny Monima.

 Raha tiana, hoy i Monja Roindefo filohany, ny hananana fifandanjana sy hahatafavoahana dia hatsaraina mifanandrify amin'izay io governemanta io. Mila hiadiana hevitra ihany koa ny fananganana azy. Araka ny voasoratra ao amin'ny tondrozotra mantsy, izay nalainy ho taridalana hiaingana hatrany dia ny praiminisitra no manolotra ny lisitr'ireo hotendrena rehetra, ny fanendrena ihany no anjaran'ny filohan'ny tetezamita. Tsy resaka seza sy olona anefa fa ilay fifandanjana mihitsy no hery hametrahana azy. Ankoatra izay dia naneho ny heviny mikasika ny filazana ny fakana ny 4x4 Prado izay any aminy ataon’ny DST, dia tsotra ny navaliny : “afaka maka izany amiko izy ireo na dia androany dia androany aza”.

Aminy dia fanosoram-potaka no anton'io resaka aparitaka io izay niantsoany fa tokony hatsahatra izany satria tsy hampivaha ny olana eto mihitsy. Nanamafy ny mbola hanatanterahana ilay fihaonana amin'ny vahoaka etsy amin'ny Kianjan'Alarobia ihany koa ity filohan’ny Monima ity satria nambarany fa ny vahoaka no masi-mandidy eto amin'ny firenena ary manana anjara sy zo feno hahalala izay tena marina amin'izao krizy izao. Tsy voatery atao an-kalamanjana anefa raha ny fanazavana nomeny ity fihaonana amin'ny vahoaka ity, saingy tsy hitany izay tsy hanomezana ny etsy Alarobia.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT