Tsy tokony hijanona hatreo ny fanampiana ataon’ny fanjakana ho an’ireo traboina tamin’ny 26 jona, hoy ny antoko MONIMA.
Tokony hisy ny famatsiana manokana, izany hoe toy izay natao tamin’ny andron’ny AV7 ireny ho an’ireto traboina ireto. Ankoatra izay dia takian’ity antoko ity ihany koa ny famerenana ireo vola lanin’ireo marary rehetra vokatry ity loza ity. Raha araka ny vaovao tamin’iny fotoana iny tokoa mantsy, na nilaza aza ny minisitry ny fahasalamana fa maimaimpoana daholo ny fitsaboana ireo tra-pahavoazana dia tsy vitsy tamin’ireto farany no nilaza fa nakan’ireo dokotera vola misimisy ihany. Manoloana izany dia maneho ny heviny kosa ny profesora Olivia Rakotoarisoa tale misahana ny fitantanana eo anivon’ny hopitaly fa somary tafahoatra sy toy ny filam-boa tsy ary ihany ny fitakiana ataon’ity antoko ity. Ny antoko MONIMA moa dia nanameloka ihany koa ireo tompon’andraikitra nahatonga iny loza nitranga tamin’ny 26 jona teny Mahamasina iny sy tany Beroroha ary nanambara ho ren-tany ho ren-danitra fa mba hisian’ny filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena dia takian’ny tany tan-dalàna ny tsy hisian’ny tsy maty manota intsony. Koa tsy hoekena raha tsy hisy tohiny tahaka ireo raharaha nahafatesan’olona taloha, ny fikarohana sy fanenjehana ireo mpamono sy nampamono olona tamin’ireo toerana roa voatanisa ireo.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.