Mbola nanitrikitrika ihany ny praiminisitry ny tetezamita teo aloha, Monja Roindefo Zafitsimivalo, fa ny filoha teo aloha,
Ravalomanana Marc, no nampitifitra vahoaka teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009, raha nanatitra voninkazo teny amin’ny toerana natao hahatsiarovana ireo namoy ny ainy teny Antaninarenina omaly. Efa volana vitsy taorian’iny fotoana iny moa ny filoha Ravalomanana no nanitrikitrika ihany koa fa tsy nanome baiko hitifitra izany ny tenany. Ny taona 2011 koa ny kolonely Charles Andrianasoavina dia efa nanao ampamoaka fa avy tany aorian’ireo vahoaka ny baiko fampitifirana fa tsy avy tao Ambohitsirohitra. Na ahoana na ahoana aloha tena fandehan’ny raharaha tamin’izany, na iza na iza nanome baiko dia voarakitra ao anaty lalàmpanorenana fa tsy azo atao ny manani-dapa ary misy ny atao hoe “faritra mena” izay tsy ilàna fampitandremana intsony fa fitifirana avy hatrany. Midika izany fa tompon’andraikitra na azo lazaina koa hoe diso ireo mpanao politika nitari-tolona nampijabaka vahoaka teny tamin’izany andro.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.