Politique

Monja Roindefo Niala tamin’ny fahanginany


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Nanambara ny heviny momba ny raharaham-pirenena indray, rehefa nangina am-bolana vitsivitsy i Monja Roindefo.

 Nahitsy ny fitenenany ny amin'ny hoe : tsy mbola misy fiaraha-mitantana tena izy sy eken'ny rehetra izany eto, na ao amin'ny governemanta io na eny amin'ny Parlemanta. Ekena, hoy izy, fa misy ankolafy avy amin'ny mpanohitra niditra anatin'ny rafitra tetezamita. Tsy mbola feno anefa ny fepetra hahafahana milaza fa tetezamita iaraha-mitantana, araka ny ambaran'ny tondrozotra marina no misy eto. Momba ny governemanta manokana dia nambarany fa tokony hisy ny fanamboarana atao. Tsy mety ny firafitr'io governemanta tarihan'ny praiminisitra Omer Beriziky io.

Mahakasika ny famotsoran-keloka indray dia nambaran'ity praiminisitra teo aloha ity, fa efa hatry ny ela no tokony ho natao izany. Izaho manokana dia efa ela no nandroso soso-kevitra ny amin'ny hanatanterahana azy io, hoy izy, saingy tsy nohenoina. Tamin'ny fitondrana tetezamita vao nijoro sy mbola tao anatin'ny heriny no tokony ho natao io famotsoran-keloka io, hoy i Monja Roindefo, fa tsy aty aoriana efa manomboka hafahafa izao ny toe-draharaha ary efa ratsy endrika eo imason'ny olona ny fitondrana tetezamita. Tsy nisalasala moa izy nilaza fa tena mihemotra isika eto Madagasikara amin'izao fotoana. Nomarihany ihany koa fa mikaroka hatrany ny hevitra hamahana ny krizy sy hamonjena ny firenena ny tenany, na dia tsy hita sy tsy re firy aza. Nanotrona ireo manamboninahitra lefitra miasa eo anivon’ny Primatiora, nanamarika ny 01 febroary, Andron’ny manamboninahitra lefitra, niaraka tamin’ny praiminisitra Beriziky ny tenany omaly.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT