Politique

Monja Roindefo Nandroba sy nampahantra lavitra ny FAT


  • Talata 30 Jolay 2013

55 taona nitolomana ny antoko Monima izay naorin’i Monja Jaona. Nandray anjara hatrany tamin’ny raharaham-pirenena ny antoko nanomboka tamin’ny taona 1958 hatramin’izao vanim-potoana misy ankehitriny izao.

Fanarenana ny tantaram-pirenena no lohahevitra banjinin’ny antoko mandritra ny fankalazana izay maharitra hatramin’ny faran’ny taona. Ara-tantara dia fandraisana ny andraikiny voalohany ny fanaovana tsia tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 1958 raha nanamarika ny Monima kosa ny nahavoafidy ny filohany, Monja Jaona, ho solombavambahoakan’Antananarivo in-droa miantoana ankoatra ny naha Ben’ny tanànan’i Toliara voalohany azy tamin’ny 1960. Milaza moa ny zanany izay nandimby azy amin’ny fitarihana ny antoko ankehitriny fa lany ho filohan’ny Repoblika i Monja Jaona tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 1982 saingy natsimbadiky ny mpitondra ny vato. Loharano nahatonga ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1972 ny fehinkevitra tinapaky ny antoko tamin’ny kongresiny tamin’ny septambra 1970.

Rehefa tafakatra teo amin’ny fitondrana ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel dia nisy tamin’ireo hevi-dehibe naroso tao anatin’ny kongresy no nampiharin’ny governemanta araka ny fanazavan’i Monja Roindefo. Reharehan’ny taranaka Monima ankehitriny ny maha mpisava lalana ny antoko tamin’ny fikatsahany hatrany ny hisian’ny fahalalana maneho hevitra sy manangana antoko politika izay nanoherany ny Mandatehezana. Fony Monja Jaona solombavambahoaka no nandaniana ny lalàna momba io fananganana antoko politika maro io sy ny fanajariana ny lemak’Antananarivo. Manohy ilay fandraisana andraikitra nataon’ny rainy ny Monina ary mpitaritolona teny amin’ny 13 mey tamin’ny 2009 i Monja Roindefo.

Milaza moa ity farany fa be lavitra noho ny nataon’ny teo aloha ny fandrobana sy ny fampahantrana ny vahoaka ataon-dRajoelina sy ny ekipany. Tsy tanteraka, araka izay, ilay fanovana nimatimatesana tamin’ny 2009. Izy Monja Roindefo tenany mihitsy no mihevitra ny hametraka ny tena fanovana ka izay no mahatonga ny firotsahany filoham-pirenena.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT