Politique

Monja Roindefo Mandrahona hidina an-dalambe


  • Alatsinainy 06 Febroary 2012

Nifamory tetsy amin’ny trano fonenan’ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ireo mpikatroka Monina ny sabotsy 04 febroary lasa teo.

 Fotoana nisian’ny nofon-kena mitam-pihavanana nanamarihana ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao. Nampahafantatra ny fijeriny ny raharaham-pirenena koa ny filohan’ny antoko nandritra io fotoana io. Nitsikera ny fitantanan’ny FAT ny tenany izay nanambara fa tsy misy ilay fanovana nampanantenana teny amin’ny Kianjan’ny 13 may. Amin’i Monja Roindefo dia lalana roa no vahaolana amin’izao fikatsohan’ny firenena izao. “Apetraka ny rafitra mazava sy iarahana izay hikarakara ny fifidianana ka ny governemantan’ny firaisam-pirenena tena izy no misahana izany. Raha ohatra kosa ka hala-bato sy bontolo no eritreretina hatao dia voatery ny Malagasy hampihatra ny demokrasia mivantana”. Milaza ho vonona hitarika izany fihetseham-bahoaka izany ity praiministry ny FAT voalohany ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT