Politique

Monja Roindefo Mandrahona hiala ny governemanta


  • Alarobia 17 Aprily 2013

Tsy azo ekena ny fanalavana ny tetezamita na fananganana tetezamita vaovao satria mijaly loatra ny vahoaka, hoy i Monja Roindefo.

 Ny fanaperana faran’izany haingana ny fitondrana tsy mahomby sy mampahory vahoaka ankehitriny amin’ny alalan’ny fifidianana no tanjona izao, hoy izy. Nanamafy ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay izao ny filohan’ny Monima ka amin’ny 23 aprily no hanaterany ny taratasy filatsahan-ko fidiany eny amin’ny CES Ambohidahy.  Miantso ny CENI-T koa ny tenany hijery akaiky ny lisi-pifidianana satria misy tanàna sasany olona 2 monja no voasoratra ao anatiny na koa lasa any amin’ny Fokontany hafa ny anaran’ny mpifidy.  “Manahy ny tenako sao eto Antananarivo irery no ho azo hiafiana ny fifidianana raha mitohy izao”, hoy i Monja Roindefo.

Hanararaotra ny fihaonany amin’i Joaquim Chissano koa ny tenany hitaky ny fampiharana ny andininy faha-6 ao amin’ny tondrozotra milaza fa azon’ny ankolafy manolotra azy esorina sy soloina olon-kafa ny olony ao anaty governemanta raha hitany fa tsy mahomby. Efa enim-bolana tokoa no mitaky ny fanesorana ny Minisitry ny angovo Razafindroriaka Nestor sy minisitry ny fanatanjahantena Botralahy Gérard ny Monima nefa lavin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny filohan’ny FAT. Nomarihin’ity praiminisitry ny FAT taloha ity anefa fa tsy mahasolo tena ny Monima intsony ireo minisitra roa ireo ary tsy tompon’antoka amin’izay tsy fahaiza-mitantana ataony ny antoko. “Tsy izao mihitsy ny politikan’ny angovo sy ny fanatanjahantena tianay hampiharina. Jereo anie ny fahorian’ny mponina ao Toamasina amin’ny resaka herinaratra e !”, hoy i Monja Roindefo. Mandrahona hiala anaty governemanta iraisana ny Monima raha mbola manao bemarenina ny mpitondra ambony.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT