Politique

Monja Roindefo Manahy sahady ny fampiharana ny sori-dalana


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011

Manahy sahady ny amin’ny fampiharana ny sori-dalana i Monja Roindefo, filoha nasionalin’ny antoko Monima ary praiminisitra voalohany tato anatin’ny fitondrana FAT.

 Nambarany fa fitoniana politika sy sosialy no tokony hapetraka eto, kanefa toa ny mifanohitra amin’izay no ataon’ny mpitondra satria dia atao fitaovana ny fitsarana hanaovana valifaty politika. Nomarihany mazava fa tsy iny sori-dalana voasonia teny Maibahoaka iny akory no hitantanana ny tetezamita fa ny antsoina hoe satan’ny tetezamita na “Charte de la transition” ary tsy maintsy mbola hisy ihany ny toromarika avy amin’ny SADC mba ho fanatanterahana izany. Tetezamita tsy miandany no tokony hapetraka eto raha araka ny fanazavan’i Monja Roindefo ihany, ary izay ihany no hahazoana antoka fa hizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Ity praiminisitra teo aloha ity moa dia nilaza fa efa manana soso-kevitra ny amin’izany hoe satan’ny tetezamita izany ary efa nampahafantatra izany tamin’ireo vondrona politika misy eto sy ny mpanelanelana.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT