Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia tetsy amin’ny trano fonenan’ny filohan’ny antoko Monima, Monja Roindefo Zafitsimivalo, etsy Antsahabe ny fisian’ny tranonkalam-pifandraisan’ny antoko hampitan’izy ireo ny vaovao misy eto amin’ny firenena sy ny fahitany izany.
Araka ny fanazavana dia efa misy ny mpandrindra manokana ny tranonkala ary havaozina (misé à jour) farafaharatsiny isan-kerinandro ny tranonkala. Fotoana ihany koa iny omaly iny nanararaotan’ny filohan’ny antoko namaliany ny fanontanian’ireo mpanao gazety mikasika ny fandraisan’anjaran’ny Monima amin’ny fifidianana 2018. Fanirianay hatrany, hoy ny filoha, ny hahasoa sy hahatsara ny firenena araka ny teny filamatra hoe « Madagasikara mahafinaritra ny vahoaka malagasy. ». Mahatsapa izahay fa betsaka ny filàna fototra tsy tanteraka ka narafitray hifanaraka amin’izany ny vinam-piarahamonin’ny Monima. Raha ny fepetra takiana amin’ny fifidianana dia mahatsapa ny tenako fa madio ary na mbola olona 2 aza izahay no afaka hifaninana ao anatin’ny fifidianana dia madio aho. Tsy afaka hijery fotsiny ny fiainam-pirrenena mikorosy fahana ny Monima fa tsy maintsy hitady izay fomba hamerenana ny fiainam-bahoaka amin’ny laoniny satria i Madagasikara ihany, araka ny tarehimarika navoakan’ny FMI sy ny banky iraisam-pirenena, no firenena tsy nandalo ady kanefa dia nizara 3 ny harinkareny (PIB), hoy hatrany ny filohan’ny Monima.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.