Politique

Monja Roindefo “Jadona no manjaka eto”


  • Talata 22 Mey 2012

Ho an’i Monja Roindefo dia ny fitantanana tsy mazava ny raharaham-panjakana sy ny fananam-bahoaka no mitarika ireo hetsika ara-tsosialy tarihan’ireo sendika isanisany amin’izao fotoana.

 Milaza ho tsy manam-bola ny fanjakana, hoy izy, kanefa mahavita manangana kianja manara-penitra sy mividy fiaramadinidina ary mbola mitohy koa ny fivoahan’ny andramena izay mpitondra ambony no ao ambadika. Nambaran’ity praiministra teo aloha ity fa jadona no manjaka eto izao satria herisetra no asetrin’ny mpitandro ny filaminana ny finiviana haneho hevitra malalaka. Manameloka ny fanapenam-bava miampy fanenjehena ireo mpanao gazety sy ny vahoaka nanao hetsika ny sabotsy teo araka izany ny tenany izay milaza fa mihemotra ny tantaram-pirenena ankehitriny. Raha izao zava-misy izao, hoy izy, dia tsy ho isaky ny 10 na 7 taona no miverina ny krizy fa 3 sy tapany na 4 taona.

Mihevitra i Monja Roindefo fa ny firosoana amin’ny fifidianana no vahaolana hamaranana ny tetezamita satria antony iray mahatonga ny fidinanana an-dalambe koa ny fitaran’ity FAT ity. Fifidianana filoham-pirenena no ambarany fa tokony tanterahana ka ny SADC no mandrindra izany tahaka ny efa nataony tamin’ny firenena afrikana maro nandalo krizy. “Tsy maintsy averina havaozina tanteraka anefa ny lisi-pifidianana fa tsy ampy raha manao fanitsiana fotsiny. Ny vondrona Frankôfônia (OIF) sy ny Firenena mikambana rahateo dia nilaza fa diso avokoa ny 52%-n’ny lisi-pifidianana misy” araka ny fanazavan’ity filohan’ny antoko Monima ity ihany. Raha misisika hanao fifidianana amin’izao ny mpitondra dia krizy avy hatrany no aterak’izay, hoy izy. Milaza hampanao fihaonambem-pirenena hamolavolana lalampanorenena vaovao ny tenany raha voafidy ho filohan’ny Repoblika.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT