Politique

Monja Roindefo Hakanosana no misy ankehitriny


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011


 Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny eo amin’ny fiatrehan’izao krizy lalina izao, dia nanambara nazava sy nahitsihitsy i Monja Roindefo, mpitarika ny antoko MONIMA, fa tsy fahendrena intsony ny fijerena fotsiny izany fa efa hakanosana mihitsy. Laniana andro ny vahoaka, hoy izy, amin’ny fifadibadihan-dela hanaovan’ny ao amin’ny fitondrana tetezamita lasibatra azy ankehitriny. Aminy dia tena maika ny fikatsahana ny vahaolana hamoahana ny firenena ao anatin’izao krizy izao.

Ny fiovana no notakiana ka rariny raha mba ho tonga amin’izay tanjona izay i Madagasikara, hoy izy. Anisan’ny olana fototra eto mantsy raha ny filazany ny tsy fahamatoran’ny tenin’ilay niteny azy fa mamatotra kosa ireo mihaino azy. Mbola handroso ny soso-keviny mikasika ny vahaolana hivoahana amin’izao ady mafy izao tsy ho ela ity filohan’ny MONIMA ity raha ny nambarany. Mikasika ny vondrona UAMAD kosa, dia nambaran’i Monja Roindefo fa tsy mamatotra velively ny MONIMA sy ny tenany ny fisian’ireo mitondra io anarana io etsy sy eroa, satria aminy dia izay fanapahan-kevitra ankatoaviny ihany no manan-kery.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT