Politique

Monja Roindefo Governemanta miaramila no tokony hamita ny fifidianana


  • Talata 07 Mey 2013

Soso-kevitra fanatsarana ny fanomanana sy fanatontosana ny fifidianana no tokony hataon’ny FFKM fa tsy fiverenenana amin’ny dingana efa vita, hoy i Monja Roindefo.

 “Izay hampadio ny safidim-bahoaka no katsahana toy ny fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny CES fa tsy famerenana amin’ny fitondrana ireo filoha telo sy ny filohan’ny FAT izay efa nambotry ny firenena”, araka ny heviny. Toheriny marindrano, araka izany, ny fanalavana indray ny tetezamita. Amin’ity praiminisitry ny FAT teo aloha ity dia tokony hametra-pialana dieny izao koa ny filohan’ny Tetezamita izay efa kandida fa tsy hiandry ilay 60 andro mialoha ny 24 jolay sao hampiasany amin’ny fampielezan-kevitra an-kolaka mialoha ny fotoana ny volam-bahoaka. Torak’izay koa ireo filohana andrim-panjakana sy minisitra kandida. Manoloana ny ho fahabangan’ny toerana aterak’izany amin’ireny departemanta sy andrim-panjakana voakasika ireny dia mandroso soso-kevitra ny tenany hanomezana fahefana feno ny miaramila hanendry ireo mpisolo toerana. “Mba hampadio ny fifidianana dia omena ny miaramila ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena rehetra ary koa ny fiadidiana ny faritra”, hoy ny filohan’ny antoko Monima. Mamita ny fifidianana ihany no andraikitra sahanin’io governemanta io izay rava avy hatrany raha vao tafajoro ny fanjakana voafidim-bahoaka, hoy hatrany izy.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT