Monja Roindefo

> Niverina nitarika olona teny Ambohitsorohitra


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013

Folo andro aty aorian’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena vao taitra amin’ny torimasony ny kandidà Monja Roindefo Zafitsimivalo niaraka tamin’ny antoko Monima Ka Miviombio tarihany ka nirotsaka voalohany tamin’izany omaly zoma 4 oktobra amin’ny maha kandidà azy.

Fametrahana fehezam-boninkazo teny amin’ireo tsangambato samihafa teto an-drenivohitra no nanombohany ny hetsika. Tsy misaraka amin’ny fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena, hoy izy, ny tena fitiavan-tanindrazana. Raha ny tokony ho izy, hoy ity kandidà ity tamin’ny lahateny fohy nataony tetsy Analakely, dia teo amin’ny tsangambaton’ny raiamandreny Monja Jaona filoha mpanorina ny Monima sy dada Seta no nanombohana ny fanateram-boninkazo nefa tsy mbola nahavitan’ny fitondrana nifandimby an’izany izy ireo ka izay misy aloha no nanaterana izany. Niainga teo amin’ny tsangambaton-dRalaimongo ao anaty zaridainan’ny CUA etsy Analakely ny fametrahana fehezam-boninkazo dia nitanjozotra nandeha an-tongotra namakivaky ny araben’ny fahaleovantena nankeny Ambohijatovo misy ny tsangambaton’ny Maherifon’ny 1947. Farany dia notarihan’i Monja Roindefo teny Ambohitsorohitra indray toy ny tamin’ny taona 2009 ireo mpiara-dia taminy nametraka ny fehezam-boninkazo fahatelo. Mbola mitana ny fotokeviny tamin’ny 2009 i Monja Roindefo Zafitsimivalo raha nanambara teo anoloan’ny tsangambato teny Ambohitsorohitra fa teto no nanombohan’ny fanovana tena izy. Marihina fa tsy tazana tetsy anoloan’ny tsangambaton-dRalaimongo omaly ilay fampielezan-kevitra naharitry ny kandidà Hery vaovao nibodo toerana teo herinandro izay.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT