Monja Roindefo

> Misy mikasa hamono ?


  • Alarobia 23 Oktobra 2013

Sangy mihoatra ny loha ny zava-misy tany Fianarantsoa omaly.

Nisy nametraka grenady iray mantsy teo anoloan’ny vavahady miditra ny kianjan’Ampasambazaha izay nanaovan’ny kandida Monja Roindefo fampielezan-kevitra. Tamin’ny 1 ora sy sasany no nahitana azy. Efa niala ny lahiny saingy noho ny fitahian-Janahary dia tsy nipoaka ilay izy. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny ekipan’i Monja Roindefo dia an’ny polisy io grenady io. Fikasana hamono sa fanakorontanana no tanjona ? Raha ny fanazavan’ny olona akaiky ity kandida ity dia matetika iharan’ny antsojay ny tenany tamin’izao fanomanana ny fifidianana izao. Ao ohatra ny fanagiazana ny volany sy ny fanaratsiana samihafa mahazo azy. Noho io antony io dia nitory an’i Camille Vital i Monja Roindefo. Ilay oha-pitenenana frantsay “Les chiens aboient, la caravane passe” nampiasain’i Camille Vital raha nanontaniana ny heviny tamin’ny resaka “bois de rose” tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny TV plus ny zoma lasa teo no tsy zakan’ny filohan’ny Monima. Marihina fa i Monja Roindefo tamin’ny fandaharana iray talohan’io farany io tamin’ity fahitalavitra ity ihany dia nilaza fa tsy nisy ny trafikana andramena fony izy praiminisitra fa taoriany vao nirongatra izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT