Politique

Monja Roindefo “Aleo samy ahataka Ravalomanana sy Rajoelina”


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Voizina mafy ankehitriny ny fanilihana an-dRavalomanana sy Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka eo. Anisan’ny manohana izay hevitra izay ny antoko Monina.

 Nilaza i Monja Roindefo fa “tokony hahataka tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay sakana amin’ny firosoana amin’izany dia Ravalomanana sy Rajoelina”. Nampiany fa tokony hahatsapa tena amin’ny maha olan’ny firenena izy mianaka ireo. Entaniny hanohana izay fijeriny izay koa ny mpanao politika Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Araka ny efa nambarany hatrany dia hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy mba hametraka ny tena fanovana marina izay anton’ny tolona tamin’ny 2009. Tombony ho azy raha ny nambarany ny fahafahany miantoka ny firaisam-pirenena eo anivon’ny fiarahamonina sy ny tafika. Milaza ho efa manana tetikady fanarenana ara-toekarena koa ity praiminisitry ny FAT taloha ity. Tetikady izay niarahany namolavola tamin’ny teknisianina teratany sy vahiny maro.

Ekeny koa ny tetiandrom-pifiadianana navoakan’ny CENIT sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Momba ny CENI-T izay indrindra dia tokony hanohana ara-bola sy ara-pitaovana azy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nasiany resaka koa ny fitondrana mandeha ila ataon’ny FAT ka anolorany sosokevitra hanaovana adihevitra momba ny fampiharana tondrozotra. “Nandefa taratasy mitaky ny fanoloana ny minisitry ny fanatanjahantena sy fanaovana fanadihadiana “audit” eo anivon’ity departemanta ity izahay saingy odiana fanina. Tsy hisy anefa fampandrosoana raha tsy misy ny mangarahara ara-pitantanana”, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny Monima. 

Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT