Politique

Mompera Alain Thierry “Misy mikononkonona lalŕmpanorenana hafa”


  • Talata 20 Septambra 2011

Lalana iray hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fanasoniavana ilay sori-dalana, hoy ny mompera Raharison Alain Thierry, avy amin’ny Justice et Paix.

 Mbola mila ezaka be ny fifanatonana, araka ny fanazavana ihany. Momba ny sori-dalana izay nisy karazany roa tany am-piandohana dia nambarany fa fomban-javatra ihany izany eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tokony ho mailo ny rehetra, raha ny fanazavany satria misy sokajin’olona manao izay hampajavozavo ny vahaolana iray. Ny mpamatsy vola sy ny lalam-bola hitany no mibaiko ilay olona, hoy ihany ity pretra katolika ity ka dia miafara amin’ny fanakorontanana ny firenena eto amintsika izany. Araka ny nambaran’ity mpitondra fivavahana ity ihany dia misy vondron’olona any ho any mikononkonona lalàmpanorenana sy lalam-pifidianana hafa. Tsy araka ny vahoaka anefa io paipaika politika rehetra io ka dia hiteraka savorovoro. Etsy andanin’izay dia heverin’ny “Justice et Paix” fa tokony hapetraky ny FAT ny rafi-pitsarana manara-penitra hisorohana ny resabe mandeha. Rehefa misy olona meloka, araka ny fanazavany, dia tokony hotsaraina sy ampiana izy amin’ny fanefany ny saziny. Zon’ny olom-pirenena tsirairay ny mivezivezy malalaka na mivoaka na miditra amin’ny firenena saingy raha misy, hoy izy, fepetra dia tsy maintsy arahina izany mba tsy hikoloana ny fiheverana tsy maty manota. Tsetsatsetsa no ilazana fa mbola lavitra ilay hoe “mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay !” sy ny hoe “tiavo ny fahavalonao tahaka ny tenanao !”.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT