Tsy mahazo fitenenana amin’ireo haino aman-jery tsy miankina (interdiction d`antenne) anisan’ny be mpanaraka any
Mahajanga i Mokhtar Salim Andriantomanga. Nisy adihevitra tokony ho nifandaharan’ity farany tamina kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Mahajanga, tamin’io haino aman-jery io, saingy tsy tanteraka noho io sakana io. Araka ireo loharanom-baovao samihafa dia tsy nahafaly ny tompon’ireo haino aman-jery ireo ny tsy nahavitan’i Mokhtar nanome fahafaham-po ny fangatahany amin’ny hanesorana ireo olona nanao asa fanorenana ka manakona ny fotodrafitrasany sy taniny eny amin’ny Grand Pavois sy Jardin d’Amour. Ben’ny tanàna teo aloha, ary kandidan’ny IRD amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019. Mpandraharaha mpanohana akaiky ny fitondrana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ny tompon’ity haino aman-jery tsy ahafahan’i Mokhtar miseho na maneho hevitra ity.Mampametra-panontaniana ireo mpanohana an’i Mokhtar ilay trangan-javatra. Tranga efa nampoizina, hoy indray ny avy amin’ny mpanohitra satria ireo mpanolotsaina mpiara-dia taminy avy amin’ny MAPAR ihany no efa nikasa hanongana an’i Mokhtar amin’ny maha Ben’ny tanàna azy ny taona 2018, fa ireo mpanolotsaina Tiako i Madagasikara no nanavotra azy tamin’ny latsa-bato nitazona azy tsy ho tratry ny fanonganana, hisian’ny fitoniana teo amin’ny fitantanana ny tanàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.