Politique

Mohammed VI Afrikanina faha-5 manankarena indrindra


  • Alatsinainy 21 Novambra 2016

Ny Mpanjakan’i Maraoka Mohammed VI no namaky lay ny fahatongavan’ireo olo-manankaja hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-16 Frankôfônia hatao eto Antananarivo ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra 2016


. Ny alin’ny sabotsy 19 novambra izy dia efa tonga, niaraka amin’ny delegasiona mafonja 450 be izao, satria dia fiaramanidina fito be izao no mitondra azy ireo. Fandraisany anjara voalohany amin’ny frankôfônia ity eto Madagasikara ity, ary hanamarika izany ny fitsidihany ny tanànan’Antsirabe izay mirakitra tantara ho an-dry zareo Maraokanina. Tao Antsirabe no nipetraka efa ho roa taona ny Mpanjaka Mohammed V, dadaben’ny Mpanjaka Mohammed VI raha nalefan’ny Frantsay sesitany teto Madagasikara tamin’ny 1954. Mbola ianarana any an-tsekoly any Maraoka hatramin'izao io tantara io. Ary raha tonga any Maraoka ianao ka milaza fa Malagasy dia hajain’izy ireo tanteraka ary misaotra anao satria nahatsiaro tena voaray sy voakarakara tsara ny Mpanjaka Mohammed V tamin’izy taty Madagasikara. Mandritra izao dian’ny Mpanjaka Mohammed VI eto izao dia hihazo an’Antsirabe izy rahampitso talata, hametraka vatofehizoron’ny asa fanorenana Hopitalin’ny reny sy zaza ary koa toeram-panofanana lehibe, ho fanamafisana izay fifamatorana ara-tantara eo amin’i Madagasikara sy Maraoka izay. Sokajian’ny gazety boky amerikanina Forbes ho teratany afrikanina faha-5 manankarena indrindra aty Afrika i Mohammed VI. Tombanana ho 5,7 miliara dolara ny fananany. Ilay teratany nizerianina Aliko Dangote no laharana voalohany (16,7 miliara dolara). Teratany afrikanina tatsimo no eo amin’ny laharana faharoa ka hatramin’ny fahefatra dia i Nicky Oppenheimer (6,6 miliara dolara), Chritoffel Wiese (6,5 miliara dolara) ary Johann Rupert (6,3 miliara dolara). Raha eo amin’ny samy Mpanjaka indray dia laharana faha-8 amin’ireo Mpanjaka manankarena indrindra manerantany ity Mpanjakan’i Maroc Mohammed VI ity.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT