Efa vonona amin’ny fandraisana ny Delegasiona Maraokanina ho tonga eto Madagasikara hiatrika ny fihaonamben’ny Frankofonia ny tanŕnan’Antsirabe raha ny nambaran’Atoa Razanakolona Paul, Ben’ny tanŕna
. Efa nisy ny fifampidinihina teo amin’izy ireo sy ny Masoivohon’ny firenena Maraokanina. Mialoha izay dia hisy ny fanamboaran-dalana, miainga eo amin’ny Borigadin’ny Zandary Andranomadio mihazo ny hotel des Thermes sy ny eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena izay hitondra ny anaran’ity Mpanjakan’i Maraoka ity. Amin’ny fahatongavany ao Antsirabe no hitokanana azy io, ny firenena Maraokanina no hiantoka ny fanamboarana rehetra. Mandritra ny fitsidihana an’Antsirabe dia hisy ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 1.000 amin’ireo sekoly naorin’ny firenena Maraokanina ao Antsirabe. Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’i Maraoka i Antsirabe, izay nitoeran’ny Mpanjaka Mohamed V ny taona 1954 -1955 noho ny sesitany nataon’ny mpanjanaka Frantsay taminy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.