Politique

Mohamady Sakra Miantso ireo TIM nangingina hiteny amin’izay


  • Alakamisy 18 Aprily 2013


 Anisan’ireo parlemantera tazana teny amin’ny “Espace de Verre” Ankorondrano ny tenako tamin’ny sabotsy lasa teo, hoy ny CT Mohamady Sakra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, niaraka tamin’ireo namana mpikambana ao amin’ny Tiako i Madagasikara nangingina tany ho any, satria dia anisan’ireo depiote voafidy ara-dalàna tany Besalampy tamin’ny taom-piasana voalohan’ny Antenimieram-pirenena faha Marc Ravalomanana ny tenako. Tsy avy amin’ny ankolafy izatsy na izaroa no nahatongavanay rehetra tao, hoy izy, fa amin’ny alalan’ny tenan’ny tsirairay fotsiny tsotra izao.

Ireo namana tsy henoheno firy no antsoina hiteny amin’izay rehefa nangingina tany amin’ny toerana nisy azy tany avy ary tsy mba nitodika tatsy na niroana tary koa. Namana tsy mbola niala tao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara avokoa ireo fa mbola mpikambana feno ao tanteraka. Tsiahiviko, hoy ny CT Mohamady Sakra, fa nifampita vaovao sy nifanakalo hevitra an-kitsim-po izahay ka tapaka tamin’izany fa hivondrona indray ary hamondrona hery ihany koa hiatrika ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT