Tonga ny fotoana anehoana ny fampitoviana lenta ny lahy sy ny vavy anaty miralenta, hoy Rtoa Ralalatiana Vololoniaina Charline kandidŕ ho solombavambahoaka atolotry ny Taniko Madagasikara nanatitra ny antontan-taratasy filatsahany teny amin’ny CED (Commission Electorale du District) Ambohidratrimo omaly alatsinainy 15 jolay.
Mila vehivavy sahy mandray andraikitra hihaino ny hetahetan’ny vahoaka ka hitondra izay hohajariana atao lalàna hoentina mampandroso ny Distrikan’Ambohidratrimo iray manontolo, hoy izy, ka izany no namparisika ahy hitarika ny lisitra hofidiana ety an-toerana. Ny tena rahateo efa zatra ny mifampikasokasoka amin’ny vahoaka hatreny ifotony ka ireto tonga manotrona anay eto ireto ny solontenan’ny Kaominina 25 ato amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo. Nisafidy ny Taniko Madagasikara izahay noho ny fitovizam-pijery tanteraka amin’ny mpitarika azy sady antoko ao anaty Ankolafy Ravalomanana rahateo ihany koa izy io, tsy midilatra amin’ny fotokevitra efa nijoroana hatramin’izay, hoy Rtoa Ralalatiana Vololoniaina Charline.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.