Politique

Mme Charline Andrefan’Iarivo Vonona amin’ny fifidianana fa mafy orina ny TIM eny ifotony


  • Zoma 06 Aprily 2012


 Lala mahitsy no nitarihan’ny filoha Marc Ravalomanana antsika hatramin’izay, hoy i Mme Charline mpandrindra ny TIM eny amin’iny Faritr’i Marovatana (Ambohidratrimo, Ivato, Talatamaty, Ambohitrimanjaka, Mahitsy, Antanetibe Mahazaza, Ambohibao Antehiroka), ka noho izany dia hijoro isika mpitolona rehetra Zanak’i Dada ka sanatria amintsika ny hilavo lefona mandra-pahatrarana ny tanjona nimatimatesana hatramin’izay dia ny tsy maintsy hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

Mampahery ireo raiamandreny parelemantera rehetra ao amin’ny ankolafy Ravalomanana an-kanavaka izahay, hoy izy, amin’izao ady mafy atrehan-dry zareo amin’ny fandinihana ny volavolan-dalan’ny famotsoran-keloka izao mba tsy hanaiky lembenana amin’ny ady hevitra ary tsy hiala vehana mihitsy amin’ny fampiharana ny sori-dalana efa nataon’ny rehetra Sonia. Antitranteriko, hoy ihany i Mme Charline, fa efa mafy orina ary efa tsara petraka ny paikady rehetra any amin’ny fototra hoan’ny antoko Tiako i Madagasikara miarka amin’n filoha Marc Ravalomanana ka ho sasa-poana izay mbola hitady hirika hanao fandadin’ny trambo ka mihevitra ny handrava hefa amin’izany fa vahoaka efa tsara sedra ny Zanak’i Dada eny ifotony ka tsy matahotra izay hangoro-vitsika. Tena vatolampy ampy handihizana tokoa raha resaka tolona sy lazon’ady izany ka dia hoy ihany izahay hoe : Tongava rafifidianana fa ahita tokoa izay ahita !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT