Efa tonga ny tompon-trano ka miala ny mpiandry omby volavita, hoy Mme Charline mpandrindra ny TIM Andrefan’Iarivo, omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka.
Tonga ny tompon’ny TIM, hoy izy, ka hiomana hiatrika fifidianana. Nanentana ny TIM Andrefan’Iarivo manokana izy, araka izany, fa vavahadin’ny seranampiaramanidina iraisam-pirenena ahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana iny faritra misy an-dry zareo iny ka tsy tokony handraraka ilo mby an-doha amin’ny fitsenana azy. Mivonona isika amin’ny fiatrehanany fifidianana, hoy izy ary tokony hanentana mafimafy kokoa ny eny ifotony izao. Miantso ny mpitandro ny filaminana izahay, hoy Mme Charline. Meteza ianareo ho tena tandroka aron’ny vozona, araka ny teny filamatra hijoroanareo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.