Politique

Mivarotra tanindrazana


  • Talata 22 Martsa 2016

Mbola saorovoro tsy hifankahitana ny resaka ady tany, ady lova amina faritra maro manerana an’i Madagasikara ary tena mibahan-toerana eny amin’ny raharaham-pitsarana ireo.


Ny fitondram-panjakana anefa resy lahatra fa omena faritra manokana hahafahany miasa any atsimo ny Maorisianina. Mialoha an’io, efa nanao izay naha diavolana ny fony, mbola tany atsimo ihany koa ny Italianina, io ilay resaka Tozzi Green. Ny Sinoa efa nanao izay nety tany Soalala (andrefana) vao mody naato ny fitrandrahana vy avy eo. Nirotsaka tamin’ny resaka fitrandrahana fasimainty tany atsimo atsinanana koa anefa ry kely maso sady tsy manaiky amin’ny fitrandrahana volamena. Ny Frantsay moa dia vao miha nahazo aina tsara mihitsy vao hoe tanterahana eto Antananarivo ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra, ary ny mpitondra Malagasy ankehitriny mihitsy aza no dedaka hanavao ilay « accord de coopération » taloha. Iaraha-mahita fa tsy hiadian-kevitra maharitra intsony ny fahazoan’ny Karana tany etsy sy eroa. Ka inona no fiandrianam-pirenena amin’izany e ? Mba mieritreritra ireo malagasy mitovy aminy ihany ve ny mpitondra sa efa natao entam-barotra koa ireo satria mora karama ka ho ambakain’izao vahiny rehetra manangana orinasa izao ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT