Politique

Mitsipaka ny fiverenan-dRavalo Tsy ny Foloalindahy akory fa ny olona roa eo aminy !


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Olona roa fa tsy Foloalindahy ! Izay no azo ilazana ny tatitra nataon’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny minisitry ny filaminana anatiny.

 Nanazava an-kolaka izy ireo tao anatin’ny tatitra izay nomeny ny solontenan’ny SADC izay tonga omaly, fa tsy tokony hiditra eto aloha ny Filoha Ravalomanana. Nifandraika tamin’ny fanambarana efa nataon’izy  ireo tetsy Ampahibe afak’omaly ihany io tatitra io. Amin’ny anaran’izy ireo manokana no nentiny fa tsy amin’ny anaran’ny Foloalindahy akory. Hita ao ihany ny anaran’ny Cemgam, saingy tsy misy soniany akory. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe efa nisy fiaraha-midinika tamin’ny olona feheziny ve izao tatitra natao izao sa kosa dia natao fotsiny amin’izay lalan-tsaina nety tamin’izy ireo ? Ankoatra izay, toa lalaovina ny anaran’ny Foloalindahy satria izy ireo dia manana andraikitra ambony avokoa amin’ny sehatry ny fitandroana ny filaminana. Midika izany fa raha manao io tatitra io izy ireo dia toy ny tatitry ny foloalindahy ihany no hiheveran’ireo mpanelanelan’ny SADC azy. Tsy mahasolo tena velively ny foloalindahy anefa ireo olona roa nanasonia ireo…

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT