Nifanatona sy nanambatra ny heriny ireo antoko sy fikambanana politika am-polony eto Madagasikara.
Nivondrona ao anatin’ny hetsika «Mitsangàna Ry Malagasy» izy ireo. Antom-pisian’ity vovonan’ireo mpiantsehatra politika Malagasy ity moa ny hanohitra ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny didy jadona ary ny fanampenam-bava amin’ny endriny rehetra, ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra manjaka eto amin’ny firenena, ny fivarotana tanindrazana sy ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena, ny fakana an-keriny ny fananam-bahoaka sy fanaovana azy varo-boba ary ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanaovana tsinontsinona ny maha olona. Santatra ihany rahateo ny fihaonana voalohany fampahafantarana teny Andrefan’Ambohijanahary ny sabotsy teo satria hitohy sy hihamafy ny tsindry fitakiana ny fialan’ny mpitondra ankehitriny. Nisongadina tamin’ireo kabary samihafa heno teny an-toerana ny fitanisana ireo zava-misy tsy zaka sy mampidradradradra ny vahoaka Malagasy intsony amin’izao fotoana izao. Singanina amin’ireny ny fomba fitondrana manitsakitsaka ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ny fafy lainga isan’andro na koa ny fanaovan’ny mpitondra ampihimamba sy tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Miantso ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka hiara-kientana sy hitsangana hanovana ny lalan’ny tantara ihany koa ny hetsika «Mitsangàna Ry Malagasy».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.