Politique

Mitohy ny tsindry Terena hamoaka an’i Jao Jean ny mpitsara


  • Talata 17 Janoary 2012

Tsy mbola hiverina handray asa ny mpitsara ary tsy hisy koa ny «service minimum» na fiandrasan-draharaha araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe notontosain’izy ireo omaly alatsinainy 16 janoary teny amin’ny lapan’ny fitsarana an-tampony Anosy.

 Nohamafisin’izy ireo tamin’ny fanambarana navoakany taorian’ilay fivoriana fa tsy misy mihitsy antoka azo ilazana ankehitriny fa tsy hisy intsony ny fikasihan-tanana mpitsara hataon’izay olona tsy afa-po amin’ny didim-pitsarana avoakany. Ny fitavozavozan’ny mpitondra amin’ny famahana ny olana ankehitriny no tondroin’izy ireo ho anton’izany. «Matoritory ny fanjakana satria hatramin’izao dia tsy mbola tafatsangana akory ny vaomiera manao tombanezaka ny fahavoazana izay voalazan’ny sata manokan’ny mpitsara raha misy tranga mahazo ny mpitsara», hoy ny filohan’ny SMM, Arnaud Auguste Marius. Vao mainka aza toa miharatsy ny toe-draharaha satria mbola misy hatrany ny teritery atao ny mpitsara amin’izao vanimpotoana mavaivay izao. Notsorin’i Auguste Arnaud Marius ny fisian’ny tsindry atao amin’ny mpitsara mba hamoahana an’i Jao Jean izay voarohirohy amin’ny raharaha fanolanan-jaza tany Antsohihy. Novakian’ity farany bantsilana ampahibemaso koa ny fisian’ny antontan-taratasy aparitaky ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita Alain Ramaroson tsy hampiharana didim-pitsarana. Eo anatrehan’izany dia mampitandrina ny filohan’ny SMM sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky fa «hisy zavatra hafa hipoaka eto raha sanatria ka avoaka tsy mandalo fanadihadiana na tsy manaraka ny dingana voalazan’ny lalàna i Jao Jean».

Ampamoaka

Tsikaritra ho misy fivoarany ihany ny mpitsara manoloana ity raharaha nahafaty an’i tompokolahy Rehavana Michel tany Toliara ny 09 desambra ity. Hisy ny atrikasa lehibe izay hanana endrika ampamoaka hotontosain’ny fianakaviamben’ny mpitsara sy ny mpitondra fanjakana ny 26 sy 27 janoary izao eny Ivato. Efa nanaiky hifanatrika amin’izany rahateo Ambohitsorohitra izay nandray ny solontenan’ny mpitsara tamin’ny zoma lasa teo. «Hofongarina amin’io avokoa izay resaka ambara fa misy fahalovana rehetra eo amin’ny sehatry ny fitsarana. Nambaran’ny mpitondra nihaona taminay mantsy fa ny kolikoly no tena nahatonga ireny fipoahan’ny raharaha tany Toliara ireny kanefa na ao Ambohitsorohitra aza sy ireo asam-panjakana rehetra dia misy izay avokoa», hoy i Auguste Arnaud Marius. Raha ny fanazavany hatrany dia samy hamoaka ny alahelony ao ny andaniny sy ny ankilany mba tsy hiverenan’ny zava-misy mampalahelo toy ireny intsony sy hametrahana ny fitsarana amin’ny hasiny sy ny fahaleovantenany tanteraka amin’izay. Milaza ho vonona hiova famindra koa ry zareo mpitsara. Miverina miasa avy hatrany ny SMM ny ampitson’io fivoriana io raha toa ka manome toky ny hanatanterahana antsakany sy andavany izay fanapahan-kevitra mivoaka eo ny fanjakana.

Yves

sary :  Mpitsara taorian’ny fivoriambe tetsy anosy omaly (sary Rakotobe)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT