Politique

Mitohy ny fanelanelanana


  • Talata 06 Martsa 2012

Andrasan'ny maro ny zavatra hateraky ny fakan-kevitra ataon'ny FFKM, izay efa maro mpiantso loatra mba hanelanelanana amin'izay, satria hita ho mitarazoka ny fomba fiasan'ny mpanelanelana mahazatra.

 Tsy tena hoe fanelanelanana anefa izao atao izao, fa fakan-kevitr'ireo fikambanana sy antoko ary vondron'olona, vonona ny hikaroka vahaolana amin'izao krizy izao. Fa hisy ihany koa amin'ity herinandro ity ny fampihaonan'ny SADC ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra, tomban'ezaka tamin'ny asa vita, sy fikarohana hevitra hanatanterahana ireo mbola tsy vita no ho votoatin'ny fihaonana. Aorian'io ihany koa no mety hilaza ny heviny indray ny SADC taorian'ny tsy nahalany ny amnistia mialoha ny 29 febroary 2012 lasa teo. Samy manana ny fahitany an'iny moa, fa ny hita fotsiny aloha dia nihazakazaka ny fandehan'ny raharaha taorian'iny 29 febroary iny, ary dia izao efa handinika ny momba ny famotsoran-keloka izao ny governemanta.

Ny tsy fantatra fotsiny dia ny famotsoran-keloka hivoaka eo izay hatolotra ny Parlemanta. Famotsoran-keloka faobe amin'ny anarany sy ny fampiharana azy ve, sa ilay famotsoran-keloka misy sivana ? Efa mitovy hevitra ny amin'izay endrika famotsoran-keloka hivoaka eo ve ny mpikambana rehetra ao amin'ny governemanta ary hanao ahoana ihany koa ny ho fihetsik'ireo mpikambana CT sy CST manoloana izany ? Mifanojo indrindra amin'ny fiakaran'ny vidin-tsolika sy ny saran'ny jiro sy rano ary ny saram-pifandraisana izany rehetra izany. Mila vahaolana maika ny Malagasy fa efa tena sempotra, ilaina ny fisian'ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy mba hampilamina ny tany, ary dingana tsy maintsy atrehana ny fifamelana sy fifampihavanana, resabe ny zavatra rehetra raha tsy tanteraka ireo. Mandra-piandry izany aloha dia mitohy ny dinika sy ny fanelanelanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT