Folo taona katroka anio 26 janoary 2019 ny “Alatsinainy Mainty” na “Lundi Noir” na “Black Monday” nanamainty tanteraka ny lanitr’Antananarivo sy ny firenena noho ny fandrobana sy fandorana fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra ny andron’ny alatsinainy 26 janoary 2009,
nentina nampahombiazana ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Santatry ny fandrobana sy famotehana ny firenena nivantana na an-kolaka satria izany no nanamarika ny tetezamita, raha tsy hilaza afa tsy ny fanondranana boaderozy. Tsy mba niala tsiny na iray minitra monja aza ilay olona nitarika ny famotehana firenena tamin’izany fotoana ary io fa tafaverina amin’ny fitondrana tamin’ny fomba azo hiadian-kevitra saingy nohajaina sy noleferina ny lesoka sy ny tsy fahamarinana. Tsy mba menatra sy tsy mihevitra ny tenany ho diso teto amin’ny firenena mihitsy ve i Andry Rajoelina fa boriboriana amin’ny hoe aleo ny lasa homba ny lasa ? Tsy hohadinoina ny teny nataony teny Andavamamba ny antoandron’ny alatsinainy 26 janoary 2009, nitsodrano ny mpiara-dia aminy rehefa nilaza ny ho eny Anosipatrana nisy ny foiben’ny MBS ireo. Voaroba sady nodorana ho kila forehitra io orinasan-tserasera io. Tahaka izany ihany koa ny RNM sy ny TVM. Orinasa Malagasy maro no voaroba sy hotohoton’ny afo tamin’ireny, anisan’ny potika tsy nisy noraisina ny Tiko, Magro, MBS,… fananan’i Marc Ravalomanana, izay tsy ny teto an-drenivohitra ihany fa nanerana ny Nosy. Orinasa marobe teny Ankorondrano, Behoririka, Analakely, Tanjombato no tratran’ny tahaka izany. Ana hetsiny ny very asa. Maro ny maty sy may kila forehitra, tahaka ny Trading Center Analakely. Nitohy tamin’ny raharaha 7 febroary, izay efa tsara omana fotoana fohy nialoha satria ny 24 martsa 2009 ny fahitalavitra Frantsay France 24, dia namoaka ilay horonantsary mirakitra ny fivoriana nataon’ny mpomba an-dRajoelina nikonona ny fanasoketana hoe: “Ravalomanana mpamono olona (Criminel) sy mpamadika (traitre),.... I Marc Ravalomanana indray no nahavita nifona in-telo tamin’ny mety fahadisoany, ary mbola nandefitra tamin’ny fifidianana feno tsy fahamarinana teo. Andriamanitra tsy andrin’ny sasany andrinay ihany, hoy ny vahoaka maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.