Misy rafi-pitsaràna tena manimba firenena

«Mila apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny fahefan’ny fokonolona»


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Ny fahefàn’ny fokonolona any ifotony, hoy ny Fiaraha-mientan’ny vondron’olona

tomponandraikitra na Fivato, dia mbola ny didy hitsivolana 073-009 no milaza ny fahefany. Misy mpitsara sasany, hoy ny filohan’izy ireo, Randimbiarison William, tsy miraharaha izany fanamarinam-pokonolona izany. Mampirongatra ny kolikoly izany, hoy izy, satria na dia misy olo-marina marobe mijoro aza dia ilay tsy marina foana no mandresy satria mahazo vahana eto amintsika ny kolikoly. Ny ady amin’ny kolikoly, noho izany, dia mila sokafana amin’ny sehatra maro. Misy olona tokony samborina, ohatra, any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo iny, nanolana na tena namotika zaza tsy ampy taona taty Antananarivo. Hita izao ny misy azy dia ilay olona lasibatra indray no teren-drizareo hiantoka ny saran-dalan’ny mpitandro filaminana haka an’io olona io. Teo aloha nefa nisy ny atao hoe «frais de justice criminel» na FDJC, izany hoe sarany omena ny lasibatry ny tsy rariny. Ny fanjakàna no tokony hiantoka izany nefa aiza izao izany? Raha misy olona manao asan-dahalo ka tratra ireo dahalo ireo, atao hoe miisa 10, ohatra, dia ilay olona lasibatr’ireo, izay rava fananana koa, no asaina miantoka ny saran-dalan’ireo dahalo ireo miakatra ho tsaraina aty an-drenivohitra, hiantoka ny saran-dalan’ny vavolombelona, ny zandary, ny mpanao fanadihadiana dia inona no zava-banona amin’izany? Rehefa tsy manam-bola iantohana izany ilay lasibatra dia afaka ho azy sy manohy ny asa ratsiny ilay mpanao ratsy. Misy rafi-pitsaràna mila amboarina fa tena manimba firenena. Mila apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny fahefan’ny fokonolona, hoy hatrany ny Fivato.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT